Dokotera 44, avy amin’ireo sampandraharaha misahana ny fitsaboana eo anivon’ny orinasa (SMIE) miisa 29 manerana ny Nosy, no manaraka fiofanana eny Androhibe, nanomboka omaly ary mitohy anio. Mahakasika ny aro loza sy fahasalaman’ny mpiasa, karakarain’ny minisiteran’ny Asa no atao amin’izany.
Mifantoka amin’ny lohahevitra telo lehibe ny fiofanana. Eo ny fanentanana sy ny fampahafantarana momba ireo loza mety hitranga any amin’ny toeram-piasana. Notsindriana manokana ihany koa ny famenoana tatitra vaovao momba ny asa. Ampahafantarina ny fomba fiasa sy ny angon-kevitra tokony ho voarakitra ao anatin’ireo tatitra ireo. Ity farany izay zava-dehibe amin’ny fanaraha-maso sy fanombanana ny ambana ary ny famolavolana politika sy paikady fisorohana mahomby. Ankoatra izany, ny fanentanana momba ny andraikitra fisorohana ananan’ny SMIE. Ampirisihina amin’ny famoronana tontolo iasana salama sy azo antoka ireo orinasa.
Tafiditra ao anatin’ny ezaka ho fampiharana ny foto-kevitry ny asa mendrika ny fiofanana.
Tatiana A