Mandao ny sekoly ny ankamaroan’ny tovovavy malagasy noho ny antony maro, araka ny fanadihadiana nataon’ny Unesco ny taona 2021. 40% ny tahan’ny fialana an-daharana ho an’ny ambaratonga faharoa, raha mihoatra ny 60% kosa eny amin’ny Lycée.
Betsaka ny antony mahatonga izany fialana an-daharana izany fa anisany ny fanambadiana aloha loatra sy ny fahantrana eo anivon’ny tokantrano. Vahaolana hitan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny hetsika Malagasy ho an’ny fandrindram-piterahana (MMPF) ny fametrahana tetikasa andrana anatin’ny fandaharanasa tantsoroka ho an’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana (PADSSR). Tanjona ny hanamafisana ny fanabeazana momba ny fananahana ara-pahasalamana feno any an-tsekoly. Handraisan’ireo tanora fanapahan-kevitra momba ny fananahany sy hisorohana ny vohoka aloha loatra na tsy niriana. “Fomba fiasa ny fanomezana fahalalana amin’ny alalan’ny mpanabe olon-tsahala 40 (samy mpianatra) momba ny fananahana ara-pahasalamana. Tolorana fitaovana koa ny infirmerie scolaire ary hofanina ireo olona roa miasa ao satria ao ny sehatra ahafahan’ny mpianatra maka vaovao », hoy ny tale mpanatanteraky ny MMPF, Faniloniaina Hantarisoa Juliana.
Toerana efatra no hanatanterahana ny tetikasa ka nosafidiana manokana ireo sekoly manana infirmerie scolaire, mba hitohy hatrany ny asa rehetra na mifarana aza ny tetikasa.
9 000 ny mpianatra kendrena ho voaentana, miampy olona 3 000 manodidina azy, toy ny mpampianatra, ny ray aman-dreny. Manomboka eny amin’ny kilasy garabola (5 taona) hatramin’ny famaranana ny fanentanana atao. Mpianatra mpanabe olon-tsahala 10 isaky ny sekoly no hanentanana any an-dakilasy, miaraka amin’ny fitaovana voavolavolan’ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Fahalalana sahaza ny tanora izay mitsinjara sokajy efatra no zaraina. Tsy mijanona ho an’ny mpianatra irery fa voakasika koa ny ray aman-dreny mba ho feno tsara ny fanabeazana. Nanomboka ny volana jona 2024 ary hifarana ny desambra 2026 ny tetikasa iarahana amin’ny OnaPascoma sy ny cellule EVH ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manohana amin’ny vola ny Agence française de developpement (AFD).
Vonjy