INDRAY MIJERY

Nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fiarovana ny harembakoka iraisam-pirenena manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ny ONG malagasy, Jeunes actifs pour le développement durable. Niarahana tamin’ny Unesco izany, izy ireo izay manana mpilatsaka an-tsitrapo 15. Ny fiarovana ny ala mando any atsinanana sy ny ala maina any andrefana no tena iasan’izy ireo, araka ny voalazan’ny mpandrindra nasionaly.
Ny Lycée Rakotoarisoa, any Amoron’i Mania, ny Lycée Lara Antsirabe, ny CEG Miarinarivo ary ny EPP Soamandrakizay eto Analamanga no hanatanterahana ny tetikasa andrana momba ny fanabeazana ara-pananahana feno mandritra ny telo taona. Hiresahana lohahevitra maro, toy ny fitsirian’ny fitiavana, ny fahafantarana ny vatana amin’ny alalan’ny lalao samihafa izany.
Sekoly miisa 8 eto Antananarivo Renivohitra no nanao fanentanana ho an’ny fahadiovana teny amin’ny Tranompokonolona Isotry, omaly. Nisy ny seho sehatra fanabeazana ka nahazo fandresena tamin’izany ny Lycée J.J.Rabearivelo sy ny CEG Andranomena. Fadio ny fanariana maloto eny ankalamanjana sy any anaty tatatra. Tokony hanana toeram-pivoahana ny tokantrano rehetra. Tsy azo hanariana fako eny an-dalambe. Ireo telo ireo no lohahevitra novoizina.
Nampahafantatra ny CUA fa misokatra ho an’ny mponin’Antananarivo rehetra ny Kianjan’ Alarobia. Afaka misitraka ny kianja avokoa na olon-tsotra, na sekoly ka maniry hanantanteraka « EPS », hazakazaka sy hetsika ara-panatanjahantena. Afaka manatona mivantana ny birao eny amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina izay liana.

Partager sur: