Harembakoka iraisam-pirenena : Mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny firenena 24 miofana

Mpilatsaka an-tsitrapo 37 avy amin’ny firenena 24 no nanaraka fiofanana momba ny fiarovana ny harembakoka nandritra ny herinandro, teny Antaninarenina. Niompana tamin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fiofanana.

Hifarana anio, eny Antaninarenina, ny fiofanana niarahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo momba ny fiarovana ny harembakoka iraisam-pirenena manerana izao tontolo izao. Miompana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, izay naharitra herinandro. Firenena 24, nahitana mpilatsaka an-tsitapo 37, no nandray anjara tamin’izany, niarahana tamin’ny Unesco sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Mpikambana anatin’ny fikambanana, ONG ary efa mitantana tetikasa momba ny fiarovana ny harembakoka iraisam-pirenena na koa an’ny fireneny avokoa ireo nandray anjara ireo, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy ao amin’ ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco, Mamisoanirina Dina Suzy, omaly, teny Antaninarenina.
Ankoatra ny fifanakalozana teo amin’ny mpandray anjara, tanjona ny hampidirana hatrany ny fiovan’ny toetr’andro rehefa mamolavola tetikasa fiarovana ny harembakoka. Tsy vitsy amin’izy ireo no efa miasa mivantana miaro izany any amin’ny firenena niaviany. Nanomboka ny taona 2023, nanao antso handraisana mpilatsaka an-tsitrapo sy nampanao asa hiarovana ny harembakoka sy toerana manan-tantara ny Com Nat Malagasy. Anisan’izany ny fandrafetana rafitra serasera ho an’ny vohitra Ambohi­manga manokana. “Andro maneran-tany ho an’ny ha­rembakoka aty Afrika omaly, ka nisalotra ny fiakanjo mampiavaka ny fireneny ireo mpilatsaka an-tsitrapo 37”, hoy ny solontenan’ny Unesco sady mpiandraikitra ny tetikasa, Ines Yousfi. Nitsidika ny Rovan’i Madagasikara koa izy ireo, omaly.

Vonjy

Partager sur: