INDRAY MIJERY

Noho ny fisian’ilay rindrin-drahona izay mitoetra ao afovoany atsinanan’ny Nosy, vinavinaina ho betsaka kokoa ny rotsakorana any amin’iny morontsiraka iny. Tombanana hahatratra 40 hatramin’ny 80mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora. Ahina ny fahabetsahan’ ny rotsakorana any amin’ny faritra Ambatosoa, Analan­jirofo ary Atsinanana, nanomboka omaly hatramin’ny anio, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro.

Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny solontena lefitry ny Tahirin’ ny Firenena mikambana hiahiana ny mponina (UNFPA) eto Madagasikara, Ngoy Kishimba. Nanao tatitra momba ny fandalovany tao amin’ny ivontoeram-panofanana ho an’ny vehivavy ao Toliara izy nandritra izany. Nifantoka tamin’ny fanatsarana sy fampandrosoana ny sehatry ny fanofanana arakasa ny dinika, indrindra ny fanitarana ny fotodrafitrasa.

Vita ny faran’ny volana avrily teo, tao amin’ny Lapan’ny primatiora Mahazoarivo, ny fiofanan’ireo filankevi-pitantanan’ny BNLTEH. Nifantoka tamin’ny fandinihana ny tetibola sy fandaharanasan’ny birao, nandraisana tolo-kevitra ho fanamafisana ny ady amin’ny famarinana olombelona avy amin’ny mpikambana ny fihaonana.

Nanomboka omaly ny fanamarihana ny andron’ny sekoly FJKM izay natao tao amin’ny sekoly Dzamandzar Fahasoavana Nosy Be FPMP 18. Nivoitra ireo soatoavina 5 avy amin’ny tonian’ny departemantan’ny sekoly ka horaketin’ny mpianatra. Mivavaka, mitory ny filazantsara, miomana, mifaninana tsara ary miala voly.

Partager sur: