Tamin’ny 10 desambra 1948 no nolaniana sy nampahafantarin’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona.
Taorian’izay, nangataka tamin’ireo firenena mpikambana rehetra ny Fivoriambe mba hampiely ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’ olombelona mba hizara sy hanao azy petadrindrina. Mba hahazoan’ny tsirairay mamaky sy mandalina ny ventin-kevitra fonosiny, indrindra any an-tsekoly sy any amin’ireo toeram-pampianarana samihafa no antony. Tsy anavahana sata politika ijoroan’ny firenena ny fanaovana izany.
Anisan’ny voalazan’ny savaranonando amin’izany, ohatra, ny hoe: heverina fa ny fankatoavana ny fahamendrehan’ olombelona sy ny zony mitovy ary tsy azo tohintohinina dia anisan’ny fototry ny fahafahana sy ny rariny ary ny fandriampahalemana maneran-tany. Eo koa ny hoe: heverina fa ny tsy fahafantarana sy fanaovana tsinontsinona ny zon’olombelona dia mitarika amin’ny fihetsika feno habibiana mampikomy ny fieritreretan’ny mpiara-belona. Ny fametrahana tontolo vaovao, hivelaran’ny olona afaka eo amin’ny filazana ny hevitra sy ny finoana, ary tsy voagejan’ny tahotra sy ny fahoriana no hetaheta lehibe indrindra ho an’ny olombelona. Heverina koa fa ilaina ny miaro ny zon’olombelona amin’ny fametrahana rafitra tan-dalàna mba tsy hitarika azy hikomy sy hanohitra ny fampihorohoroana sy ny fampijaliana.
Mampitovy sy iavahana ny zon’olombelona
Araka izany, ny zon’olombelona no mamaritra sy maneho ary iainan’ny maha izy azy ny olombelona tsirairay. Itoviany amin’ny hafa izay zo izay, fa nateraka hitovy zo sy hasina ny olombelona rehetra. Nefa iavahany amin’ny hafa na iavahan’ny tsirairay ihany koa: manan-jo tsy hitovy hevitra amin’ny hafa, ohatra, ny isam-batan’olona, manan-jo hizaka fananana manokana, manan-jo hivezivezy, manan-jo hanana ny finoany, manan-jo hisafidy malalaka ny asa tiany hatao na toerana tiany honenana, manan-jo amin’ny finoana na firehana politika harahiny…
Ny fananana sy fizakan’ny tsirairay ny zony no ahazoana miaina amin’ny maha olombelona azy vatana sy saina ary fanahy. Eo anivon’ny fianakaviana izany, fiarahamonina, faritra, firenena. Ny zon’olombelona no ahazoana mandray andraikitra eo amin’ny ankohonana, fiarahamonina, firenena… Izay zo izay koa no ahazoan’ny tsirairay mandroso sy mampandroso ny maha olombelona azy eo amin’ny asa aman’andraikitra ataony sy ny toerana misy azy, ao anatin’ny fahafahana sy fahalalahana.
Miara-teraka amin’ny olombelona ny zony
Miara-teraka amin’ny olona iray ny zony; eny, na hatrany am-bohoka aza dia efa manana zo ho teraka sy ho velona izy. Samy afa-mizaka ireo zo sy fahalalana rehetra amin’ny maha olombelona azy izay ny tsirairay. Tsy anavahana firazanana na fiaviana na foko izany, volon-koditra, maha lahy na vavy, teny ampiasaina, fivavahana na finoana, firehana politika, saranga na fari-piainana, asa atao, toeram-ponenana, fomba amam-panao, fahaizana amam-pahalalana, fahasembanana, taona…
Ankoatra izany, tsy azo anavahana na iza na iza eo amin’ny samy olombelona ny satan-tany na faritra iavian’ny tsirairay. Na eo amin’ny sehatra politika na lalàna, ohatra, izany. Samy manan-jo mitovy, ohatra, ny olona an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra: mahazo fahasalamana sy fampianarana mendrika azy, hahazo vaovao… Samy afa-maneho hevitra koa ny tsirairay, na zokiolona na zandry olona, na lahy na vavy, sns, amin’ny toe-javatra iaraha-manana na mizaka toy ny soa iombonana.
Amin’izany rehetra izany, tsy hoe zakaina sy sitrahan’ny isam-batan’olona fotsiny ny zo fototra maha olona azy, fa ifampitondrana sy ifampifehezana amin’ny hafa koa. Samy tokony hahalala sy ho saro-piaro amin’ny zony ny tsirairay, nefa tokony hahalala sy hanaja ny zon’ny hafa izay mitovy amin’ny azy koa.
Mahasahana ny lafim-piainana rehetra ny zon’olombelona
Mahasahana ny maha olona sy ny lafim-piainana rehetra ny zon’olombelona. Araka ny andininy voalohany amin’ny fanambarana ny zon’ olombelona, ohatra: nateraka ho afaka sy hitovy ny olombelona rehetra na eo amin’ny zo na eo amin’ny hasina. Dia voatanisa manaraka izany, ohatra, ny amin’ny zo hiaina sy ho afaka ary hahazo fiarovana, ny zo tsy azo andevozina na ampanompoana, tsy azo ampijaliana… Eo koa, ohatra, ny hoe tsy azo tsabahina ny fiainana manokana, ny zo mivezivezy an-kalalahana, tsy azo verezin-jo tsy an-drariny, tsy azo alaina an-keriny ny fananany… Toy izany koa ny fananan-jo hivady sy hanorina fianakaviana, ny fahalalahana amin’ny hevitra sy amin’ny fivavahana, ny zo ho voaantoka ara-tsosialy, hanana asa, hiala sasatra sy hiala voly, hanana fari-piainana antonona sy ampy, hahazo fanabeazana…
Hoy izy ireo :
“Ny zon’olombelona dia maneran-tany ary tsy azo zaraina”. Vaclav Havel
“Tsy hisy fandriampahalemana eto amin’ity planeta ity raha mbola voahitsakitsaka ny zon’olombelona any amin’ny faritra sasany amin’izao tontolo izao”. René Cassin
“Ny zon’olombelona dia zavatra niara-teraka tamintsika”. Malcolm X
“Ny zon’olombelona voalohany dia ny fahazoana mihinana amin’ny hanoanana”. Franklin Delano Roosevelt
“Ny voalohany amin’ny zon’olombelona dia ny fahafahan’ny tsirairay, ny fahafahana hanana fananana, ny fahafahana misaina, ny fahafahana miasa.” Jean Jaurès
“Mitovy zo ny olona rehetra… Fa amin’ny ankapobeny dia misy ny manana fahefana bebe kokoa noho ny hafa. Eo no misy ny tsy fitoviana.” Aimé Césaire
“Ny herisetra atao amin’ny vehivavy angamba no tena mahamenatra sy mety ho fanitsakitsahana ny zon’olombelona indrindra.” Kofi Annan
“Tsy mbola namaky ny Fanambarana ny zon’olombelona ny natiora. Manohy ny fanaovany antsika tsy hitovy izy.” Will Durant
Nanatontosa : R. Nd.