MTEFoP-FMFP : Nohamafisina ny fiaraha-miasa

Sehatra tena mila tohana ny fampiofanana arakasa sy ny sehatra madinika manomboka miarina eto Madagasikara. Izany indrindra no imasoan’ny minisitera sy ny FMFP amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa.

Natao tamin’ity herinandro ity ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana (MTEFoP) sy ny Tahirim-bolam-panofanana matihanina malagasy (FMFP). Mifanaraka amin’ny vina politika izay efa napetraky ny fitondram-panjakana ho fanatsarana ny sehatrasa eto Madagasikara ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Mikendry ny hanome tantsoroka ho an’ireo tanora malagasy tsy an’asa, sy hanampy ireo orinasa madinika sy salantsalany ary ny kaoperativa izany. Hana­tevina ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa izao fiaraha-miasa eo amin’ny MTEFoP sy FMFP izao.
Nanamafy ny minisitra Ra­za­ka­boana Hanitra Fitiavana fa ity tetikasa ity dia hanampy ireo tanora hisafidy ny fiofanana izay mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa misy ka hampandroso ny fandraharahana.
Zava-dehibe ihany koa ny fiovana asa na fiseharana amina zavatra vaovao amin’ny tontolon’ny asa ka ny fiofanana arakasa no azo antoka fa fototra entina hanatsarana io sehatra io. Ho fiomanana amin’ny mety ho fahatapahan’ny fifanarahana ara-barotra eo amin’ny firenena iray ihany koa no tena jerena.
Tanjona, araka izany, ny hanamafisana ny fanofanana arakasa sy ny fanokafana ny varavarana amin’ny asa mendrika ho an’ny rehetra ao anatin’izao fifanarahana izao. Hetsika tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny AFD ity hotanterahina ity.
Eto Madagasikara, sehatra tena mila tohana ny fampiofanana tanora hiditra amin’ ny sehatry ny asa. Matetika tsy manana ny fahaiza-manao izy ireo ka izany indrindra no ilana tosika. Eo koa ireo misehatra amin’ny orinasa madinika izay miandrandra fanohanana ho tonga matihanina sy miroborobo ho afaka mampiasa olona maro sy mahasahana toerana maro.

Tatiana A

Partager sur: