Nitsidika ny distrikan’ Amboasary, Ambovombe ary Ampanihy ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina, ao anatin’ny tetikasa “Avotse”. Tanjon’ny tetikasa ny hanamafy ny fahafaha-miarin’ny mponina manoloana ny haintany sy ny vokatra entin’izay any atsimon’ny Nosy.
Nidina teny ifotony ireo tomponandraikitra nizaha ny zava-misy taorian’ny haintany nitranga ny volana oktobra 2024 izay narahana rotsakoranabe sy rivodoza telo: Dikeledi, Honde ary Jude nanomboka ny volana febroary sy marsa lasa teo.
Betsaka ny sahanasa napetraka hanampiana ny mponina ka nasongadina ny fandrindrana izany hitondra tombony ho an’ny mpisitraka.
Nihaona tamin’ireo rafitra misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) sy ny solontenam-panjakana any an-toerana ny delegasiona nandritra ny dia.
Nisy koa ny tafa tamin’ireo mpisehatra mikarakara ny maha olona sy ny fikambanana miahy ireo olona manana fahasembanana.
Ampiharina amin’ny kaominina 16, amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana, Beloha, Ambovombe ary Amboasary Atsimo, ny tetikasa “Avotse”. Miara-manatanteraka ny asa ny Humanité & Inclusion, ny Action contre le faim, ny Sahi Mpanasoa, ny WHH Madagascar- Welthungerhilfe, miaraka amin’ny tantsoroka ara-bolan’ny Vondrona eoropeanina.
Vonjy