INDRAY MIJERY

Nisy atrikasa sy fakan-kevitra ho an’ny Paikady nasionaly ho fanatsarana sy fampiroboroboana ny “éducation préscolaire” tamin’ity herinandro ity. Ny fisitrahana ny fampianarana garabola, ny kalitao sy ny traikefan’ny mpampianatra, ny fomba enti-mampianatra, ny fitantanana sy ny tetibola ampiasaina, ny fandraisan’andraikitry ny vondron’olona sy ny ray aman-dreny no lohahevitra nodinihina. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanabeazana.
Fifanampian’ny olona mitovy trangam-piainana na traikefam-piainana ny “pair-aidance”. Manampy ny olona mbola ao anatin’ilay aretina izy io satria manamaivana azy sy ahatsapany fa tsy irery izy miatrika ilay aretina. Mamerina ny fanantenana ihany koa, ary tena ilain’ireo olona tratran’ny fikorontanan-tsaina. “Mani­nona no hoe anisan’ny lalana mankany amin’ny fahatoniana ny pair-aidance?”. Hohazavaina misimisy ao anatin’ny atrikasa ny votoatiny ny sabotsy ho avy izao, miaraka amin’ny association Psy-kôzy Madagascar.
Fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana tamin’ity herinandro ity. Tokony hanana fahazarana tsara amin’izany ny rehetra ary ampianarina koa ny ankizy dieny mbola kely. Ny 50% ny aretina azo avy amin’ny loto dia voasoroka amin’ny fanasana tanana matetika amin’ny savony.
Mamely ny kohoka sy sery vao nivadika mangatsiaka tampoka ny andro. Tsy mifidy fa na ankizy na olon-dehibe dia voa avokoa. Tao anatin’ny telo andro izay, tena tsapa ho mamirifiry ny andro eto en-dRenivohitra. Mila miaro vatana tsara amin’ny hatsiaka ireo ankizy madinika mamonjy sekoly.

Partager sur: