Lalàna mifehy ny asa : Hofanina ireo sendikan’ny mpiasa

Anjaran’ny faritra Vakinan­karatra indray izao no misi­traka ny fiofanana mahakasika ireo fehezan-dalàna mifehy ny asa voarakitry ny lalàna lah 2024-014. Paikady entin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampanananasa ary ny asam-panjakana ny manatanteraka ny fampahafantarana izay voarakitra ao anatin’izany.
Vaindohan-draharahan’ny fitondrana fiofanana ho an’ireo mpiantsehatra rehetra mampiasa ity lalàna vaovao ity. Solontenan’ny mpiasa mivondrona avy amin’ireo sendika maro isan-karazany no manaraka fiofanana momba ny fehezan-dalàna mifehy ny asa mandritra ny telo andro ao An­tsirabe. Hatevenina ny faha­lalan’ny mpitarika sendika mba hizaran’izy ireo fahalalana eny anivon’ny mpiasa rehetra.
Raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Asa, Ramaroson Cristelle, samy niady hevitra avokoa ny mpiasa sy ny mpam­piasa nandritra ny famolavo­lana ity fehezan-dalàna ity. Lalàna tena tanteraka sy feno no narafitra.
Tsy maintsy misy ny fanofanana mba hitondran’izy ireo fizarana any amin’ny mpiasa avy eo.
Iarahan’ny MTEFoP sy ny fikambanana iraisam-pire­nena momba ny Asa (OIT) ny fanofanana. Mitovy ny tanjona ary samy mikendry ny hisian’ny rariny ara-tsosialy sy hampiroborobo ny asa mendrika eo amin’ny fiarahamonina.

Tatiana A

Partager sur: