Efa niasa avy hatrany, 24 ora taorian’ny nahavoafidy azy ho Papa Ray Masina, i Léon XIV. Ankoatra ny tsodrano nataony afakomaly alina, ho an’ny kristianina maneran-tany sy ny katolika, anisan’ny be mpiandry ny lamesa rahampitso. Hihazakazahana ny mankany Vatican, eo amin’ny Kianjan’ny Masindahy Piera. Zava-dehibe sy mifono zava-dalina ny fanatrehana izany. Tsy hoe ilay mahita na miara-mivavaka amin’ny Papa akory, fa ilay aim-panahy entanentaniny sy ny fifohazam-panahy entiny. Tsy mifidy antokom-pinoana izany. Mba fantatsika ve fa tsy mifidy saranga, tsy mijery fari-piaviana ny finoana katolika. Izay rahateo moa no dikany “ho an’ny olon-drehetra”, tsy ankanavaka fa miara-mientana hoenti-manandratra fotokevitra iray. Miorina amin’ilay Andriamanitra tokana olona Telo izany. Izay ny mahakasika ny resa-pinoana fa tsy azo atao ambanin-javatra ny fiantraikan’ity fahazoana Papa Ray Masina vaovao ity amin’ny tontolon’ny jeopolitika iraisam-pirenena. Tsy kisendrasendra ny maha amerikanina azy. Tsy azo atao ambanin-javatra ny tanjaky ny fanjakana ao Vatican amin’ny lafiny diplomatika sy toekarena eto ambonin’ny tany. Firenena faran’izay kely indrindra fa tompon’ny tanjaka ara-bola sy fahefana. Iza tokoa no sahy hilaza fa tsy mihazakazaka ny ihaona amin’ny Papa izany? Jereo itony filoha amerikanina, Donald Trump. Minitra vitsy taorian’ny nahalany an’i Léon XIV dia nilaza fa tsy mahandry ny fotoana hihaonana aminy. Misy dikany lehibe rahateo ny nahalany ity hany kardinaly amerikanina voafidy ity. Tsiahivina fa misy teboka maromaro hitovizan’ny filoha Amerikanina sy ny Ray Masina vaovao. Anisan’ireny ny fanajana ny natiora sy ny lamina voanjanahary, toy ny tsy fankasitrahana ny fanalan-jaza sy ny fiarahan’ny olona mitovy fitaovam-pananahana. Ankoatra izay, anisan’ny saro-piaro amin’ity planeta tany ity izy ireo. Asa, mety ho anisany nanosika ny mpifidy hanohana azy ve izany? Anisan’ny zava-dehibe amin’ny hoavin’ny zanak’olombelona rahateo izany. Ho an’i Madagasikara manokana, izay anisan’ny firenena manana mpino katolika maro, dia zava-dehibe ny fahazoana Papa sady saro-piaro amin’ny fombafomba fivavahana tranainy no mivoy ny fisokafana tahaka an’i Léon XIV. Anisan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara rahateo ny katolika. Anisan’ny mampiavaka sy hitondrany ny anjara birikiny ny fampianarana, ny fitsaboana, ny tetikasa momba ny fotodrafitrasa, sns. Na izany aza, tsy ny Papa vaovao akory no hahavita fahagagana ho an’ny zanak’olombelona. Ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay no hery fototra voalohany. Natao ho modely sy fanovozana angovo fotsiny ireny sokajin’olona ireny fa tsy ampy ny ” Masina Masina!”, ha hoe hisy fahagagana na mana milatsaka avy any an-danitra.
r.r