INSTN: Manome vahaolana ara-tsiansa

Tamin’ny tranga nahafatesana mpiasan’ny Apipa miisa efatra tao anaty fantsona fandehanan’ny rano maloto, eny 67Ha, niditra an-tsehatra avy hatrany ny Ivontoeram-pikarohana nasionaly momba ny siansa sy ny teknika nokleary (INSTN). Ny fanadihadiana siantifika no nahafantarana ny tena antony nahatonga ny loza. Nanao fandrefesana sy fandalinana teny an-toerana ny mpikaroka ka hita fa “monoxyde de carbone” sy “dioxyde de soufre” no nampidi-doza ireo mpiasa ireo. “Nisy karazana fako sy rano maloto nihiboka tao amin’ilay toerana ka niteraka fiforonana sy fitobiana entona mampidi-doza”, hoy ny mpikaroka ao amin’ny INSTN, Dr Andriamahenina Njaka Namelantsoa. Nihena be ny tahan’ny entona tao anatin’ny toerana, ka nanamarina ny vokatry ny fikarohana rehefa nanao fanadiovana ny rivotra ny BNGRC sy Apipa.
Manana andraikitra lehibe amin’ny fanomezana vahaolana ara-tsiansa ho an’ny fanjakana sy ny fiarahamonina ny ivontoeram-pikarohana amin’ny alalan’ny famokarana “vinavina” sy porofo siantifika ahafahana mandray fepetra hentitra sy ara-potoana.
Fikarohana sy voka-pikarohana ilaina sy mipaka amin’ny fiainana andavanadro no imasoany. Mandrakotra sehatra maro ny fikarohana ataon’ny ivontoerana.

Vonjy

Partager sur: