Ben’ny Tanàna 15: Niara-nitady vahaolana hampandrosoana ny tanàn-dehibe

Nanatanteraka fivoriana niaraka tetsy amin’ny Kaomi­nina Antananarivo Renivohitra Analakely ireo ben’ny Tanàna mivondrona ao anatin’ny Asso­ciation des grandes-ville de Madagascar (AGVM), omaly. Maro ny zavatra miandry sy ny olana sedrain’ireo ben’ny Ta­nàna ka mahatonga ny fivondronana. “Anisan’ny ezaka atao ny mitady vahaolana amin’ny lafin-javatra maro mba hampandrosoana ny tanàna izay tantanin’ny tsirairay”, hoy ny filohan’ny fikam­banan’ny ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe, Rasaminana Honoré Gabriel, ben’ny Tananan’Antsi­rabe I. Ohatra ny fanamafisana fahaiza-mitantana ny vola mi­ditra sy mivoaka eo anivon’ny kaominina. Nambarany fa misy ny zavatra tokony hohatsaraina mba hisy kokoa ny fampandrosoana mipaka eny ifotony. « Misy ireo zavatra mety any amin’ny tanàna hafa na any ivelany ary azo ampiharina any amin’ny toeran-kafa”, hoy ha­trany izy. « Fanamby itovizan’izy ireo ny mahakasika ny fandaminana ny fako, ny tsy fandriampahalemana, ny lalana, ny fanajariana, ny tsena, ny fidiram-bola sy ny maro hafa », hoy kosa ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala.
Rafitra iray ahafahana mi­fampiresaka na amin’ny rafitra foibe na amin’ny mpiara-miombon’antoka mahazatra ity fi­kam­banana ity. Aha­fahana mi­fampiresaka sy mi­ady varotra hahatonga ny fampandrosoana eny ifotony. Ahafahana manamafy traikefa sy fahaiza-manao eo amin’izy ireo ihany koa.
Tonga nanatrika ny fivoriana, teny an-toerana, ireo ben’ny Tanàna miisa 15 amin’ny 16 mpikambana. Nisy ihany ny koa ny fihaonana nataon’izy ireo tamin’ny filoham-pirenena, omaly hariva. Marihina fa efa nitsangana hatramin’ny taona 2016 ity fikambanan’ny ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe. Manao atrikasa sy mifampizara traikefa.

Mino

Partager sur: