Faritra Alaotra Mangoro : Nofanina ireo mpandraharaha

Herinandro ny fampiofanana nomena ireo mpandraharaha ara-pambolena sy fiompiana natao tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny herinandro teo.
Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanan’asa ary ny asam-panjakana tao amin’ny fikambanana Edugascar sy ny teknisianina. Nijery ny zava-misy sy ny fomba fanao entina hamokarana vary sy hiompiana trondro eto Madagasikara izany. Nitohy tamin’ny fifanankalozan-kevitra sy fiofanana izany avy eo. Nidina mivantana nijery izay fomba ahafahana mampitombo ny voka-bary sy fiompiana trondro ny mpiofana avy eo.
Nofanina mahakasika ny fandraharahana ireo tanora sy tompona orinasa madinika sy salatsalany tany an-toerana. Tanjona ny hahafahan’izy ireo manatsara ny fidiram-bolany sy hahaleo tena ara-pivelomana ary hahazo traikefa ihany koa.
Sehatra malalaka mbola azo trandrahina tsara ny fambolena sy fiompiana ary mampiasa ny teknika vaovao entina ham­pi­tomboana ny vokatra.

Tatiana A

Partager sur: