Nanatanteraka fanadiovana faobe tao amin’ny valan-javaboahary tsimbazaza ny ekipan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanarenana ity valan-javaboahary ity ny hetsika izay efa nanaovana ezaka manokana mihitsy taorian’ireny fahaverezana sokatra sy baranahiny teo aloha ireny.
Efa mitsangana ny vaomiera iraisan’ireo minisitera maromaro ho amin’ny fikojakojana sy famerenana indray ny hasin’ny toerana. Fanarenana ny valan-javaboahary sy ny fanomanana ny fanamarihana ny faha-100 no tena iandraiketany.
Mandrafitra ny vaomiera iombonana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.
Nifarimbona tamin’ny fanadiovana ny faran’ny herinandro teo ny solontenan’ireo minisitera voakasika ireo.
Tsy atao ambanin-javatra ny asa fikarohana ao amin’ity valan-javaboahary ity, amin’ny maha ivon-toeram-pikarohana azy. An’ny Malagasy ny PBZT, tsy amidy ary tsy hisy ny fanalana mpiasa, hoy hatrany ny minisitra.
Tatiana A