7 200 ny tokantrano nahazo Vatsy Tsinjo, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Tafiditra amin’ny fiahiana ny sosialim-bahoaka, vinan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izany.
Miverina ny fizarana Vatsy Tsinjo avy amin’ny fitondram-panjakana. Nanome fiahiana sosialy manokana ho an’ny mpianatra hanala CEPE sy fianakaviana 7 200 ny filohan’ny Repoblika. Nahazo ny anjarany ny avy amin’ny boriborintany voalohany sy fahefatra. Notanterahina teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny fanolorana vary iray gony, siramamy 1kg, menaka 1l, ary savony ho an’ny isan-tokantrano.
“Hitohy isan-kerinandro ny fizarana ka hahazo daholo ny boriborintany enina ato amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hijanona eto an-dRenivohitra fa hahazo koa ny faritra”, araka ny fanambarana nataon’ ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.
Lalankely
Mialoha ny fizarana ny fanampiana ho an’ny sahirana, nidina ifotony teny Ankasina ny Filohan’ny Repoblika. Nijery ny fanamboarana ny lalankely ao anatin’ny tetikasa Produir ho fanatsarana ny tanàna iva. Nohamafisiny fa atomboka amin’ny boriborintany I, ao amin’ny fokontany Ankasina, ny fanesorana ny fako manentsina ny lakandrano. Hotanterahina amin’ny asa tagnamaro hiarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izany. Karamaina vary 5kg ny olona iray. Hahatratra 1 000 ny mpanadio. Hotanterahina isaky ny sabotsy izany. Mirefy 41 km ny lalankely, 30 km ny lalambe, tetezana 6 km no vita tao anatin’ny 3 taona. Nasiana andrin-jiro miisa 18 koa manazava ny lalana.
Vola mitentina 14 tapitrisa dolara, amin’ny 125 tapitrisa dolara, no hampiasaina hanatanterahana ny tetikasa. Mbola hanampy 10 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena. Ahafahana manorina trano 2 500 vaovao hamindrana ireo fianakaviana monina eny amin’ny faritra iva izany.
Vonjy