Manamarika ny Andron’ny 13 mey i Madagasikara, anio. Andro mirakitra ny tolom-bahoaka namadihana ny tantaram-pirenena. Tolona niampitan’ny Repoblika voalohany nankany amin’ny revolisionina mena. Nanomboka teo no nitsimbadibadika ny fironana politika sy ny ideolojia novoizin’ireo nilaza fa tena tia tanindrazana.
Hatreto, tsy hita be ihany ny tena fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka. Niavaka amin’ny fitadiavan-tseza ny rehetra. Ny mpanao tantely afa-drakotra ilay firenena no maro anisa. Izay nikiry ny hitondra ny anjara birikiny dia maty ankaranany avokoa. Tsy mahatapitra fotoam-piasana fa miongana tsy lera. Boribory vetaveta teo ny zava-niseho.
Amin’izao fotoana, miezaka ny manarina ny fitondram-panjakana. Manao izay ho afany ny ekipan’ny volomboasary. Efa tsy nahafa-piry rahateo ry “manga” sy ny “mena”. Ny indrokely, manomboka sahady koa ny “sinema” ataon’ ny tandapa sasany. Misy ny manipy hoditr’akondro ilay olona manana fikasana tsara ho an’ny tanàna sy ny vahoaka.
Eo indrindra no mila mitandrina ny Filohan’ny Repoblika. Misy dia mpanoro vohona fotsiny ny sasany. Milaza fa namana kanefa mifono hoditr’amboadia. Ny tena zava-doza, ireny no manimba ny namana izay tena vonon-kiaro ny mpitondra. Tsy voatery ny hitabataba rahateo ny fomba fanohanana. Tsy izay misehoseho no tena tia sy tokam-po. Efa midika ho fiarovana, ny fahanginana, tsy hampirehitra ny afo.
Fampahatsiahivana fotsiny ihany ny hisintomana ny lakolosy ho an’ny sokajin’olona mitady hirika, hanozongozona ilay fahefam-panjakana. Ny fiaraha-mientana anatin’ny fikatsahana ny soa iombonana izao no tokony himatimatesana. Mila hamafisina io fifampitsinjovana io na samy marefo izany na ny samy henjana. Mila mifanolo-tanana isika.
Tsy tokony ho sasatra ny hanarina Ramalagasy. Betsaka ny fotoana efa very tamin’ny fandravana sy fanarenana. Fotoan’ny fananganana izao, endri-pitolomana vaovao.
r.r