Fiarovana ny tontolo iainana: atomboka any an-dakilasy ny fanabeazana

Haharitra roa andro, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampahafantarana ireo sehatra sy fikambanana manabe ankizy sy tanora, na olon-dehibe, momba ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny harena voajanahary. Ilaina ny mandrindra ny asa rehetra hampaharitra ny ezaka vita.

«Atomboka amin’ny zaza sy ny ankizy ny fanabeazana momba ny fiarovana ny tontolo iainana raha tiana hitondra vokatra maharitra ny ezaka rehetra atao hikajiana ny ha­rena voajanahary sy ho fiarovana ireo zana-kazo amin’ny afo », hoy ny minisitry ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, omaly, teny amin’ny Kianja Barea Ma­­hamasina. Efa miara-miasa ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana, tao anatin’ny efatra taona, amin’ny tetikasa « Mpianatra iray, hazo iray ». Omena fahalalana mifandraika amin’ny taonany koa ny mpianatra any an-dakilasy. “Nampidirina ho anisan’ny lohahevitra ny fahaizana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Nanome fitaovana manamora ny fampitana ny hafatra ny Unicef. Nametra­hana toerana hamokarana zana-kazo hovolen’ny mpianatra any an-tsekoly. Tanjona ny ho lasa masoivoho miaro ny tontolo ianana ireo mpianatra”, hoy ny minisitry ny Fa­nabeazam-pirenena, Sahon­dra­ri­malala Marie Michelle.
Nanomboka ny taona 2002 no nampihatra ny politikam-pirenena mifandraika amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fampandrosoana ma­haritra i Madaga­sikara. Betsa­ka ny asa natao mifantoka amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana eny ifotony. Ho an’ny Unicef manokana, nanohana ny fanjakana izy ireo ka nanabe ankizy 5 000 hikolo sy hikajy ny tontolo iainana. Fitaovana tsotra no ampiasaina hampianarana ny mpiantra momba ny fambolen-kazo, hametrahana tanin-janakazo. Niofana mialoha ny mpanabe 1 800 momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana, araka ny nambaran’ny solontenan’ny Unicef, Christine Jaul­mes. Mitohy amin’ny fanohanana ny fikambanana tanora mivoy ny fiarovana ny tontolo iainana, Alliance Aika, ny fanabeazana any an-dakilasy.

Vonjy

Partager sur: