Tarika Fangia Kalo Gasy: haneho an-kira ny kanto malagasy

Raikitra! Ny sabotsy 17 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Mala­gasy, etsy amin’ny tohatoha­baton’Antaninarenina, ny fampisehoana hiarahana amin’ny tarika Fangia Kalo Gasy. Haneho an-kira ny kanto ma­lagasy izy ireo. Hitety vanim-potoana amin’ireo sangana­san’ny tarika manokana. Faharoa, hihira ireo kalon’ny fahiny na kalon’Imerina manana ny maha izy azy sy tsy mbola lefin’ny vanim-potoana hatramin’izay ka hatramin’izao.
Araka ny nahafantarana ny tarika Fangia Kalo Gasy, mitazona hatrany ny fomba na ilay aingam-panahy namoronana azy hatrany am-boalohany ry zareo. Amin’ny alalan’ ireo zavamaneno ampiasain’ny tarika (gitara, amponga, korintsana…) no hamoahany izany. Anisan’ny mampiavaka ity tarika manana ny maha izy azy ity io fahaizana mamolaka sy mampiasa ny zavamaneno tendreny hifanaraka amin’ny kalon’Imerina na kalon’ny fahiny io. Tahaka izany koa ny fandrindrana ny feo.
Raha tsiahivina, ity tarika ity no ahitana ireo mpikambana tanora nisafidy ny hamelona kalon’ny fahiny na ny kalon’Imerina. Ankoatra ny mihira, afaka mitendry zavamaneno mifanaraka amin’izany avokoa ny mpikambana ao anatiny.
Manome lanja ny fikarohana ihany koa ny tarika Fangia Kalo Gasy. Mitrandraka ifotony ny hira avy eto Imerina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: