35 mianadahy niofana momba ny fandrindrana sy ny fitantanana ny loza rehefa misy hamehana. Dimy amin’ireo tale sy lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny BNG RC nifototra tamin’ny fiofanana ho mpanofana (formation des formateurs), ny 30 kosa mpiasa tsotra, Traikefa mila ananana ao anatin’ny fanatanterahana ny asa atrehin’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza izany isan’andro, satria ny fanavotana aina no fanamby amin’ny karazana loza sy tandindon-doza isan-karazany.
Nojerena tsirairay ireo karazana loza sy tandindona matetika miseho sy misy eto Madagasikara rehetra nanomboka tamin’ny rivodoza sy ny tondradrano, ny haintany any Atsimo, ny haintrano sy ny doro ala. Rehefa tonga izay rehetra izay, inona ny tokony hatao ?
Dimy andro ny fiofanana, nahafahan’izy ireo nifehy izay rehetra izay. Nampita izany kosa ireo manampahaizana manokana avy amin’ny Sapeur pompier France, izay miasa ao amin’ny Cogic na sampandraharaha frantsay mitantana ny loza sy ny tandindon-doza, mitovy tanteraka amin’ny BNGRC eto Madagasikara. Afapo ny mpiofana sy ny mpampiofana.
Nahazo mari-piofanana frantsay mifandraika amin’izay nianarany sy noraisiny ireo nandray anjara rehetra ary afaka miatrika ny fitantanana krizy.
Vonjy