Toetry ny andro an-dranomasina: hahery ny alondrano anatin’ny roa andro

Tombanana hitoetra hatrany ny alondrano avy any atsimo andrefana, ato anatin’ny roa andro manaraka. Hikorontana, araka izany, ny toetry ny andro any an-dranomasina, ho an’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsinanan’ny Nosy, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hahery ny ranomasina amin’ny ankapobeny, ka tombanana ho 3m ny haavon’ny onja any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo atsinanan’ny Nosy. Hanodidina ny 3,5m kosa any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy. Nanomboka omaly, eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro, ary hitohy anio, eo anelanelan’i Belo-Tsiribihina sy Morombe. Anio hatramin’ny rahampitso kosa eo anelanelan’i Taolagnaro sy Nosy Varika ny fampitandremana momba ny alondrano. Fampitandre­ma­na miloko mena eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro. Fampitandremana miloko mavo eo anelanelan’i Morombe sy Belo-Tsiribihina ary Taolagnaro sy Nosy Varika. Ahina ny fahasarotan’ny fifamoivoizana, faharendrehana an-dranomasina ary ny fikorontanan’ny asa fihariana andavanandro ka mila fahamailoana.

Vonjy

Partager sur: