Zava-dehibe ny fanatonana ny faritra satria manamaivana ny fandaniana ho an’ireo mpianatra sady maneho ohatra tsara sy fanentanana ho an’ireo efa miasa ka vonona hanohy fianarana na monina lavitry ny Renivohitra sy ny Renivohi-paritany aza.
Fanohanan-kevitra (soutenance) miisa 10 hahazoana ny mari-pahaizana Master voalohany natao tao Farafangana, renivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana ho an’ny fampianarana ambony. Noho ny fangatahana nataon’ny mpitantana ny Ivontoerana misahana ny Fampianarana ampitain-davitra (Cntemad) Farafangana tany amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny tale jeneralin’ny ivontoerana misahana ny fampianarana ampitain-davitra nasionaly no nahazoana ny vokatra. Avy amin’ny lalam-piofanana Gestion, anatin’ny sampana Finance comptabilité et audit, Management des organisations ireo nanao fanohanan-kevitra amin’ny andiany Sahy, ny faran’ny herinandro teo, hoy ny talen’ny foibem-paritry ny Fampianarana ampitain-davitra Farafangana, Mandresimana Saugue.
Fampianarana sy fikarohana manakaiky faritra sady entina haseho ny vahoaka any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana fa misy avara-pianarana sy mahazo diplaoma ny zanak’izy ireo no vina, hoy ny mpitarika ny andiany Sahy, Randriamanana Crescent Apollin. Mbola i Farafangana irery no nahavita nikarakara fanohanan-kevitra any amin’ny faritra Atsimo-Atsinanana hatramin’ny niforonan’ny Cntemad.
Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ho an’ny lalam-piofanana valo misy, hoy ny tomponandraikitra. Olana lehibe sedrain’ny mpitantana ny faharatsian’ny toeram-piasan’ny Cntemad Farafangana. Ho an’ny fampivondronana koa, vitsy loatra ireo taranja ahafahana hanaovana izany ka tokony hampitomboina ho tombontsoan’ny mpianatra. Mifandraika amin’izay ihany, noho ny halaviran’ny toerana misy ireo mpampianatra manao « encadrement », avy aty Antananarivo ny ankamaroany, mila fotoana maharitra vao mahavita boky ireo mpianatra mpikaroka. Soso-kevitra naroson’ny tomponandraikitra ny hamelana malalaka ny mpampianatra manampahaizana eo Farafangana hisahana ny « encadrement ».
Tokony heverina koa ny saran’ny fiofanana omena, izay azo ambara fa lafo raha mitaha amin’ny fahafahan’ny olona any ambanivolo mandrato fianarana ao amin’ny Cntemad. Tanjona ny hanana mpianatra hatramin’ny 500 ny 2028 raha mbola 135 amin’izao fotoana izao.
Vonjy