Isehoana olana ny fikambanan’ny zanaka Toliara monina sy mipetraka eto Toamasina, (Fitefato) taorian’ny fahataperan’ny fotoam-pitantanan’ny filoha teo aloha. Tokony hifandimbiasan’ireo disitrika sy faritra efatra mandrafitra ny faritanin’ i Toliara, isaky ny roa taona ny fitantanana, araka ny fitsipika anatiny. Nisehoana fifanenjanana sy fifanaratsiana teny an-tambajotran-tserasera anefa ny filoha vaovao, avy amin’ny foko Antandroy.
Nampiaka-peo ny fikambanan-drazana Antandroy, omaly, tetsy amin’ny toerana anoloan’ny tsangambaton’ny maherifo 1947, amin’ny ambara fa endrika fanilikilihana an’ i Petera Monja. Nohamafisin’ireo vatan-dehilahy efa anjatony nanatrika ny fivoriana fa tsy nanolotena i Monja Petera na i Monja Vy. “Izahay Antandroy no nanolotra azy hitantana ny fikambanana, hifandimbiasana”, hoy i Manantsoa Simon. Nohamafisin’ity mpitondra teny fa tsy hanaiky izy ireo. Anisan’izany ny tanàna mandrafitra ny maha Antandroy, toy ny avy Befihamy, Tsivory, Belo, Ifotaky, Amboasary, Ambovombe,Antanimora, Andalatanosy,Ampamata, Ambondro,Tsihombe, Beloha, Bekily, Antragnoroe, Zambefandropotsy. “Anaovanay antso ho anareo mpitarika ny fikambanana foko Antandroy sy zanaka faritanin’ i Toliara ao Antananarivo izany”, hoy izy ireo.
Sajo sy Synèse R.