Tonga tao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady sy ny mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta, omaly. Ho fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mponina ao an-toerana, nisy ny vatsy natolotra azy ireo nandritra ny hetsika.
Nitondra fanampiana Vatsy tsinjo ho an’ny tokantrano miisa 4 500, ahitana vary iray gony, siramamy, menaka ary savony, ny tenany. Notolorana fitaovam- pianarana koa ireo mpianatra hanala fanadinana CEPE, ahitana kitapo, fitaovam-pianarana, kahie misy fonony. Hanampy ny ray aman-dreny manan-janaka hiatrika fanadinana ireo.
Ankoatra ny fizarana, omaly, hitohy ny hetsika sosialy ka hivarotra vary amin’ ny vidina 500 Ar ny kapoaka isaky ny alatsinainy, alarobia ary sabotsy, ho fitsinjovana ny vahoaka. 1 000 Ar ny kapoakan’ny vary any an-toerana, amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany ihany.
Momba ny fiahiana manokana ny vehivavy, hananany fizakan-tena hampandroso ny tenany, manohana ny fikambanam-behivavy any Atsimo ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady mpanorina ny fikambanana Fitia, Rajoelina Mialy. Miantso ny vehivavy manana tetikasa mitombina tsara, azo tanterahina, hovatsiana vola miaraka amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Mponina any amin’ny faritra ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Nilaza ny filoha Rajoelina Andry, fa misy tetibola ho an’ny fikambanam-behivavy rehetra ho tohana avy
amin’ny fanjakana. Tokony hatao mangarahara eo imason’ny tomponandraikitra rehetra ny fitsinjarana ny sora-bola ary tokony hofantarina ny isan’ny fikambanana misy. Hanasoavana ny vehivavy sy hampihodinana ny asa izany.
Hetsiketsehina indray ny Nutrisud
Momba ny fahasalamana, nankasitraka ny filohan’ny fikambanana Fitia ny governoran’ny faritra Anôsy, Rakotovelomanantsoa Voahary, satria nandefa iraka manokana ny tenany hijery akaiky ny fanomezana aina vao ny orinasa Nutrisud. Orinasa izay mpamokatra sakafo mitondra otrikaina ho an’ny mpianatra any Atsimo, hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo izy io. Tomponandraikitra avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny raharaha sosialy (Dasp) sy ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena no nanatanteraka ny iraka.
Vonjy