INDRAY MIJERY

Nijery ny lalana RN13, niainga avy ao Amboasary hatrany Taolagnaro ny filohan’ny Repoblika mivady, omaly. Izy no nitondra ny fiara. Adiny iray sy sasany ny faharetan’ny dia hatrany Taolagnaro raha adiny efatra izany teo aloha. Nanamafy koa izy fa hotohizana ny asa fanamboarana ny lalana RN13, miala avy eo Amboasary tonga any Ambovombe ary mandeha Betroka hatrany Ihosy.

Hampitomboina ny angidimby handraraka fanafody famonoana ny valala manimba voly, hoy ny filohan’ny Repoblika, raha nitafa tamin’ny va­hoakan’Amboasary Atsimo izy, omaly. Hampiana koa ny isan’ny mpitandro filaminana misahana ny faritra. Hovatsiana fitaovana sy omena fiara 4×4 izy ireo manomboka ny alatsinainy ho avy izao, hanatanterahany ny asa.

Hitazonana ny vatana ho salama sy hitsaboana ny aretina ara-batana ny “soin somatique”, hoy ny fikambanana Autisme Madagascar. Mahakasika ny fahasalamana ara-batana rehetra toy ny fanalana fanaintainana, fanomezana fanafody, fitiliana, fanasitranana ratra, na fitsaboana aretina mifandray amin’ny vatana izany. Samy hafa amin’ny “soin psychologique” izay misahana ny fihetseham-po, ny ara-tsaina na ny fitondran-tena.

Partager sur: