Nisitraka fampiofanana manokana avy amin’ny Birao nasionaly miady amin’ny famarinana olombelona (BNLTEH), ny 14 sy 15 mey 2025, ny polisy miasa ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny fifindra-monina (DCM) sy ny sampandraharaha misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna (DPJ). Zava-dehibe amin’ity ady ity ny fampiofanana ny polisim-pirenena satria anisan’ny ivon’ny ady amin’ny famarinana olombelona na eo amin’ny lafiny fisorohana na eo amin’ny lafiny fanenjehana izy ireo. Manoloana ny tranga famarinana olombelona sy ny tranga miendrika famarinana olona ary koa ireo mety hitarika izany, manana andraikitra lehibe ny polisim-pirenena ho fiarovana ny mpiray tanindrazana aminy. Niompana tamin’ny fampahafantarana ireo endrika famarinana olombelona, ny lalàna mahakasika izany, ny fitorohana, ny fisorohana ary ireo teknika fanaovana fanadihadiana ity fampiofanana ity.
Jean Claude