Miditra amin’ny fitetezam-paritra amin’izay ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, ankehitriny. Efa any atsimon’ny Nosy ny delegasiona tarihiny, raha efa miandry azy ihany koa ny any avaratra. Maro ny fotodrafitrasa notokanany. Porofo fa miasa ho an’ny eny ifotony izy amin’izao fotoana izao. Tena manakaiky vahoaka sy mitady ny fomba hoentina manatsara ny fiainan’izy ireo.
Tsy mihanona amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka fotsiny izy na dia iny aza no loha-laharana aminy amin’izao fotoam-pitondrana izao. Miezaka ny mitady ny fomba rehetra mba hanamaivanana ny vesatry ny fiainana amin’ ny lafiny rehetra izy. Mitady vahaolana arakaraka ny filana sy ny fangatahan’ny mponina. Raha ho an’ny any atsimon’ ny Nosy, hisy, anio, ny fizarana Vatsy Tsinjo.
Mahakasika manokana ny fotodrafitrasa, efa hanomboka ny lalam-pirenena faha-10. Efa tafapetraka ny vato fehizoro. Mba hivadika ny rasa. Tsy ho zanak’Ikalahafa, na ho lasa an-jorombala ny faritra atsimo. Toerana manan-karena sy afaka misitraka ny fampandrosoana ny any Androy sy Anosy, ary Atsimo Andrefana.
Toerana manan-karena, na ambony na ambanin’ny tany ny any atsimo. Tsy toeran’ny kere intsony no fanamby, fa ho loharanon-tsoa ho an’ilay firenena. Maro ny seha-pihariana azo trandrahina any saingy ilay finiavan’ny fanjakana sy ny politikam-pampandrosana mihitsy no nahitsoka teo aloha.
Tsy maintsy mijoro sy miara-mientana ny mponina any an-toerana mba anohana ny fitondrana, araka izany. Raha tsy ny tompon-tanàna no resy lahatra fa te handroso sy mba hitondra ny anjara birikiny dia zava-poana koa ny fandraisana andraikitra avy aty ambony.
Tsy maintsy mifanome tanana sy manamafy firaisankina, ary mampitovy tadin-dokanga ny rehetra vao afaka mandrindra ny asa fampandrosoana eny ifotony. Tsy afaka ny mandeha ila ny zava-drehetra.
r.r