Ho fanatsarana ny tolotra fahasalamana: Nomena fitaovana hanaovana fampiharana ny Ifirp

Hampiakatra ny lentan’ny fahaizan’ny mpiofana eny anivon’ny Ifirp ny fitaovana fampiharana vaovao azon’ny ivontoeram-panofanana enina, omaly. Manana fahatokisan-tena ny mpiofana rehefa ampy ny fampiharana sy ny andrana.

Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fiofanana omena ny mpianatra eo anivon’ny Ivontoeram-panofanana ny infirmer sy ny mpampivelona (Ifirp) manerana ny Nosy, notoloran’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka fitaovana ahafahana manao fampiharana mivantana ny sekoly, omaly, teny Befelatanana. « Miantoka ny hatsaran’ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana eny amin’ny tobim-pahasalamana ny fifehezana ny asa dieny any am-pianarana », hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanan­tany Zely Arivelo, omaly. Tafiditra amin’ny tetikasa fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny ambana ara-pahasalamana sy ny fanomezana tolotra fototra iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena ny fampitaovana ny Ifirp miisa enina. Manome fahatokisana ny mpianatra mialoha ny handraisana marary eny amin’ny toeram-pitsaboana ny fikirakirana ireo « modèle anatomique » natolotra omaly. « Mitentina 1 miliara sy 210 tapitrisa Ar ny fitaovana, izay ampahany ihany fa mbola hitohy”, hoy ny minisitra. Vonona hanohy ny fanohanana ny ivontoeram-panofanana paramédicaux ny Banky iraisam-pirenena satria tafiditra amin’ny fanatsarana ny asan’ny mpitsabo mpanampy izany. Efa nisy ny fanavaozana ny ivontoeram-panofanana tany Toamasina. “Hitohy amin’ny fampiofanana momba ny teknolojia vaovao ny asa satria mivoatra hatrany ny fitsaboana”, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasam-pahasalamana ao amin’ny Banky iraisam-pirenena.
Hotsinjaraina eny amin’ny Ifirp enina manerana ny Nosy ny fitaovana hitondra fanatsarana amin’ny fampiofanana. Nandritra ny fipariahan’ny valanaretina Covid -19 no tena nahatsapana fa mila “paramédicaux” afaka miatrika ambana ny firenena ka nahatonga ny tetikasa napetraka. Manana vina hjery manokana ny votoatin’ny fiofanana omena eny anivon’ny Ifirp ny minisitera ho fanavaozana.

Vonjy

Partager sur: