Fikambanam-behivavy ao Toliara: nahazo tohana avy amin’ny filohan’ny Repoblika

Samy nahazo ny anjarany avokoa ny tokantrano marefo sy ny mpianatra ary ny fikambanam-behivavy ao Toliara. Notoloran’ny filohan’ny Repoblika fanampiana izy ireo.

Nitohy tao amin’ny Kianja Maître Kira Toliara ny fizarana Vary tsinjo na­taon’ny filohan’ny Repobli­ka, Rajoelina Andry, sy ny vadiny izay niompana manokana ho an’ireo fianakaviana marefo, ny faran’ny herinandro teo. Olona miisa 5 000, avy amin’ny fokontany 42, no nandray izany fanampiana izany. Vary iray gony, siramamy, menaka ary savony no tosika azon’ny isan-tokantrano.
Ankoatra izay, kits scolaires miisa 604 no natolotra ho an’ireo ankizy hiatrika ny fanadinana CEPE, ho fanohanana ny ezaka ataon’izy ireo sy ny fianakaviany amin’ny sehatra fanabeazana. Kitapo tsara kalitao efa misy fitaovam-pianarana maro, toy ny kahie, pensilihazo, pensilihazo miloko, penina,…no azon’ireo mpianatra tonga teny an-toerana.
Nanotrona sy naneho firaisankina tamin’ny hetsika niaraka tamin’ireo mpikambana ao anaty governemanta ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie-Marcelline, sy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sa­hondra­rima­lala Marie Mi­chelle, izay samy mahatsapa fa zava-dehibe ny fanohanan’ny fanjakana ny sehatra sosialy sy ny fanabeazana, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra.
Natolotra nandritra ny hetsika tao Toliara koa ny vola avy amin’ny filohan’ny Repoblika ho an’ny fikambanam-behivavy entina hampiroboroboana ny asan’izy ireo. Anisany nisitraka izany ny Afham miahy manokana ireo vehivavy manana fahasembanana sy fikambanam-behivavy hafa. Nantsoin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina koa ireo vehivavy manana tetikasa fampandrosoana hiteraka loharanom-bola hanatona ny minisitera fa hovatsiana.

Vonjy

Partager sur: