Nanatanteraka atrikasa fanavaozana (atelier de reforme) tetsy amin’ny Kianja Cnaps Vontovorona ny sekoly ambony tsy miankina ES.DES, ny alakamisy lasa teo. Atrikasa nahafahana nampihaona ireo mpampianatra rehetra eo anivon’ny sekoly sy ireo tomponandraikitra 20 any amin’ny faritra. « Kihon-dalana lehibe ahafahana mitodika sy hametrahana paikady entina miatrika ny 10 taona manaraka izao», hoy ny docteur Elia Hanitriniaina, talen’ny sekoly. Nodinihina nandritra izany ny fomba fiasa, ny hanatsarana sy ny kalitaon’ny fampianarana atolotra ireo mpianatra.“Anisan’ny olana mianjady amin’izao fotoana izao ny tsy fananana asa. Entanina ny mpianatra hiroso amin’ny famoronana asa », hoy kosa Saholinirina, Directeur académique et administratif ES.DES any amin’ny faritra Atsimo. Ankoatra izay, maro amin’ireo mpianatra no tsy mahafantatra akory ny asa tiany hatao rehefa vita ny fianarany eny amin’ny oniversite. Nohamafisiny fa mila atao matanjaka ny kalitaon’ny fampianarana raha tiana handroso ny firenena. Nandray anjara tamin’izany ny solontenan’ny mpianatra, mpampianatra, ny tomponandraikitry ny sekoly manerana ny Nosy, ny fikambanan’ny mpianaratra ary ny eo anivon’ny Mesupres.
Mino