Randrianandrasana Miarisoa: tanora mampivelatra ny asa fikirakirana vy

Fianakaviana iray mifototra sy mivelona amin’ny fa­nan­ganana fanaka sy haingo ao an-tonkatrano Ran­dria­­nan­drasana Miarisoa. Niatom­boka tamin’ny fitsirian-kevitra hanatsara ny asa izay efa nataon’ny rafozany, an-taonany maro, izy.

Tovolahy iray mamelona vady aman-janaka amin’ ny fanamboarana fanaka vita amin’ny vy sy melamina, Randrianan­drasana Mia­risoa, tompon’ny orinasa AMC Deco-Design. Araka ny fanadihadiana natao taminy, omaly, tetsy Tsiadana, efa ho 24 taona teo izay izy ireo no nanao ity asa ity. Nilaza moa ny tenany, fanatsarana ny zava-bitan’ny rafozany, nitsirian’ilay hevitra, hanangana orinasa mpanao fanaka vita amin’ny vy.
« Niatombohanay avy amin’ny rafozako. Efa nanao io asa io efa aman- taonany maro izay ry zareo, ary ny fanamboarana vavahady no tena nataony. Rehefa manao ny asany izy ireo, mahita fanatsarana hatao hatrany aho, ary noraisiko ho ahy izany, mba hananganako ny orinasako manokana, ary ny fananganana fanaka vita amin’ny vy no tena nilofosanay, tamin’izany», hoy Randria­nandra­sana Miarisoa.
Notsiahiviny fa ny taona 2001 no nanokafan’izy ireo ity orinasa manamboatra fanaka ity, ary tamin’izay ny latabatra “console” nataon-dry zareo voalohany. “Tadidiko tamin’izay andro izay, nisy mpanjifa iray nanafatra ireny table console ireny. Efa nanana maodely harahina moa izy ireo, ary niezaka namoaka izany izahay. Afapo tanteraka ilay mpividy tamin’izany fotoana izany”, hoy hatrany ity lehilahy ity.
Ankoatra izay, nampahafantariny ihany koa ireo fitaovana ilaina amin’ny fikirakirana vy sy melamina. Raha ho an’ny vy manokana, ilaina ny manana “poste soudure”, ny tsofam-by, ny “meule”, ny “etaux”, …Anisan’ny singa miasa amin’ny melamina kosa, ny “visseuse” sy ny “défenceuse”.

Efa niasa…fa niala

Nomarihin’ity mpandraharaha iray ity, fa efa niasa tamin’ny orinasa iray ny tenany teo aloha. Nahavelona azy tsara izany, saingy nanapa-kevitra izy sy ny vadiny ny hanangana ny azy ireo manokana fa tsy hiankina amin’ny hafa.
“Somary mafy ihany ilay hoe niala tamin’ny asa nahavelona anao, saingy rehefa vonona ny hanangana ho an’ny tena, tsy maintsy mirisika. Ny fidirana amin’ny sehatry ny fandraharahana ihany koa, tsy ilana fahakiviana satria indraindray maty antoka ary matetika mahazo tombony”. Raha ny nambaran’i Miarisoa hatrany.
Tsy nanana eritreritra ny hanao izao moa izy, taloha, raha ny filazany, ary maro ny zavatra nianarany tany am-pianarana sy nakana fahaizana manokana, nefa rehefa misy ny zavatra tiana ho hatao, ezahina ny hahatafavoaka azy.

Hanitatra

Manana faniriana ny hanitatra ity asa ity ity tanora malagasy iray ity, saingy hojereny miandalana eo ihany izany. “Tsara ny mampahatsiahy fa ny fahamasahan’ny fanamboarana fanaka vita amin’ny vy no nampiezaka anay hanamboatra zavatra atao amin’ny melamina”, hoy izy. Nanamafy kosa anefa ry zareo fa tsy hifanalavitra amin’ny asa tanana ihany ilay tetikasa vaovao hatao.

 

Partager sur: