Nihaona sy nifanakalo hevitra ireo tale sy lehiben’ny sampandraharahan’ireo ivontoeram-pikarohana sivy eo ambany fiahian’ny minisiteran’ ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ranarijaona Hery Lisy Tiana. Natao hanatanterahana ny vinam-pampandrosoan’ny Filoham-pirenena sy ny toromarika avy amin’ny minisitera ny fivoriana. Mikendry ny hanomanana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, izay hotanterahina amin’ny volana aogositra ho avy izao.
Ankoatra izay, lohahevitra dimy hafa no niompanan’ny dinika ka anisany ny fanombohan’ny asa fikarohana ao
amin’ny Trano Fihay Vao. Iarahana amin’ny Pnud-Unipod ho fanohanana ny mpikaroka sy ny fanavaozana izany. Voalaza koa fa nisy ny fanavaozana sy fanitsiana ny lalàna sy torolalana mifehy ny fikarohana ho fanatsarana ny rafitra sy ny fomba fiasa.
Tao anatin’ny fivoriana no nandinihana indray ireo lohahevitra 14 mahakasika ny fikarohana. Nozaraina koa ireo zava-bita lehibe nisongadina teo anivon’ny CNR. Nisy ny famoronana gazety manokana “Hetsika fikarohana sy vokatra”, fananganana rafitra “Conférence des Directeurs des CNR” ho sehatra fihainoana sy fiaraha-mientana, fanamafisana ny fizaram-baovao. Tanjona ny hahafahana mamantatra sy manatsara ny lafin’ny fikarohana, ary hanavaozana ny votoatin-kevitra zaraina amin’ny tambazotran’ireo sampandraharaha tsirairay.
Ninah (Mpianatra asa)