Notanterahina ny alahady teo ny fankalazana manetriketrika ny sorona Masina fametrahana an’i Papa Léon XIV amin’ny toerany. Natao tao amin’ny Kianjan’i Md Piera izany. Niatrika izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta avy amin’ny firenena maro. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’izany. “Mbola maro ny fifandirana, ny ratra vokatry ny fankahalana, herisetra, fitsaratsaram-po, tahotra ny hafa, ary toekarena manimba ny tany sy manalavitra ny mahantra”, hoy izy. Na izany aza, nambarany fa te hilaza amin’ny tany amin’ny fanetren-tena sy fifaliana isika: «Jereo i Kristy! Manatona Azy! Raiso ny teniny mamirapiratra sy mampahery! Henoy ny fitiavany, ka tongava fianakaviana iray! Ao amin’i Kristy, iray daholo isika”, hoy izy. Nanteriny fa miaraka amin’ny fiangonana kristianina hafa, na ireo manaraka fivavahana hafa, na ireo mitady Andriamanitra, na ny tsara fanahy rehetra. “Andao hanao tontolo vaovao itondran’ny fiadanana”, hoy ihany izy.
Synèse R.