WMG: nanampy ireo ankizy voan’ny homamiadana

Nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy voan’ny aretina homamiadana, tsaboina eo anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha, ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), ny zoma lasa teo. Voalohan-daharan’ny fikambanana ny hanampiana ireo olona sahirana ara-pivelomana. Ta­min’ity, nitodika manokana tany amin’ireo ankizy marary vo­an’ny aretina homamiadana ny hetsika nataon’izy ireo. Voa­kasaik’izany indrindra ireo sahirana ara-bola sy misedra fahasahiranana eo amin’ny fitsaboana ny aretina eo anivon’ny hopitaly. Nanolotra fanomezana toy ny biscuits, chocolats, viennoiseries, koba aina sy vary roa kitapo ho an’ny marary izy ireo. Ankoatra izay, mbola nanolotra vola ho an’ny ray aman-drenin’ny zaza marary ihany koa izy ireo. Ho fanampiana amin’ny sakafo hohanina sy ny pitsopitsony ilaina ao amin’ ny hopitaly. Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Groupe JB, Groupe Taf ary ny WMG nahafahana nanao ny tolotra.

Mino

Partager sur: