Sahia mijoro!

 

Vita izay ny ady sarotra atrehin’ny filohan’ny Repoblika miady irery. Aiza koa isaky ny misy olana dia samy mialangalana avokoa ny olona manodidina azy. Ireo mba nomena fahafena, mijanona ho mpibodo seza fotsiny. Tsy misy mahasahy mivoaka any amin’ny misy azy fa mialokaloka amin’izao maha teknisianina izao. Zara aza misy hialana bala ny an’ny ankamaroany.
Vanim-potoana izao hijoroan’ny tomponandraikitra isanisany. Tsy ampy hiarovan-tena ny filazana fa tsy mampifangaro ny raharaham-panjakana sy ny politika fiarovana ny Filoha. Fa iza tokoa moa no nanendry? Inona izany no nanomezana ilay seza? Ankoatra ny vokatra azo tsapain-tanana, manana adidy miaro ny mpanendry ny rehetra.
Rehefa menatra sy tsy sahy miseho masoandro dia aleo mametra-pialana avy hatrany. Lasa vesatra ho an’ny kitapombolan’ny fanjakana kanefa sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery. Aiza ve ka na ny hanao “j’aime” sy ny “j’adore” ny pejin’ny filoha Rajoelina Andry dia samy mialangalana daholo. Mifanjana ny olon-drehetra. Misy aza ny olom-boatendry mainka mandrehitra ny afo ankolaka amin’ny fandrangitana rehefa tsy mikombom-bava.
Raha ny fivoaran’ny tontolo politika ankehitriny, mila mivoaka ny fikobonana ho fiarovan-tseza ny olom-boatendry, mila miara-mirona. Tsy azo leferina ilay midedadedaka rehefa mahazo toerana, kanefa tsy mahasahy ho hitam-poko ho hitam-pirenena rehefa hiady sy hiaro ny Filohan’ny Repoblika.
Mila mandini-tena ny tsirairay fa tsy vitan’ny miolonolona sy ny tiatia kely. “Miaraka maty amin’ny palestina!”, hoy ilay fomba fiteny mahazatra, tokony hanaraka izay ireo nomena seza. Aiza ka ny mpanohana entanim-pitiavana fotsiny, tsy mba mitaky tambiny no hany mahasahy manao vy very ny ainy amin’ny fiarovana ilay fitondrana. Mila sahy mijoro avokoa!

r.r

Partager sur: