Hotanterahina ao Miakadaza Imerintsiatosika, ny 26 hatramin’ny 29 mey ho avy izao, ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny fikambanana Fivoarana. « Manodidina ny 5000 isan’andro fara fahakeliny ny olona andrasana hitsidika mandritra ny hetsika, ary irariana mba ho tonga 1 hetsy mahery izany», hoy Rajerison Antoine, solombavambahoaka voafidy tany amin’ny disitrikan’Arivonimamo, sady filohan’ny fikambanana Fivoarana, nampahafantatra ny hetsika tetsy Ankorondrano, omaly. Tsy ny mponina any an-toerana ihany fa andrasana hitsidika ihany koa ny olona rehetra ivelan’ny faritra. “Anisan’ny olana mampijaly ny tontolo ambanivohitra ny elanelana misy eo amin’ny mpandray vokatra sy ny mpamokatra, noho izany, fotoana io hifanatonana”, hoy hatrany izy. Tanjona ny hanakaikezana sy hanampiana ny tantsaha eny ifotony ary hampifandraisana ny mpamokatra sy ny mpanjifa, indrindra ireo mpandraharaha.
Ahitana varotra, fampirantiana, fizarana, fifaninanana ary fampisehoana sy ny maro hafa mandritra ny efatr’andron’ny hetsika. Tranoheva 96 ireo handray anjara amin’izany. Ho hita eny ny vokatra rehetra avy amin’ny tantsaha, sakafom-biby, asa tanana, fiompina, fitaovam-pamokarana… Eo koa ny fampisehoana ara-kolotoraly, iarahana amin’ny tarika Mahaleo, tarika Jeneraly, Tselonina…Mbola hitohy sy hivelatra amin’ny faritra hafa ivelan’Antananarivo ny hetsika. Atao any Arivonimamo ny volana jona, raha any Mahitsy ny volana jolay.
Mino