Taorian’ny fitsidihan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny sekoly ambony Politeknika Antananarivo (Espa) ao Vontovorona, miroso avy hatrany ny asa fanamboarana ireo trano fidiovana ao amin’ireo trano fonenan’ny mpianatra sy ny trano vaovao R+1. Nitsidika ny fizotran’ ny asa, teny an-toerana, ny talen’ny Crou-A, Mamisoa Aina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa koa ny fanatsarana ny famatsian-drano. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina amin’ny fitaterana ireo fako ao an-toerana. Mahakasika ny fandriampahalemana kosa, ho hamafisina amin’ny alalan’ny fifandaminana miaraka amin’ny mpianatra izany.
Nisy ny fanovana goavana mahakasika ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE manomboka amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity. Eny anivon’ny Cisco no hanontana ny laza adina raha teo anivon’ny minisitera foibe, tamin’ny alalan’ny DEXAMC, izany teo aloha. Nisy, noho izany, ny fampitaovana toy ny milina fanontana ny laza adina, ny valopy, ny taratasy, ny kofehy, ny sobika, « la cire » ary efa tonga eny anivon’ny Cisco tsirairay avy izany. Nohamafisina ihany koa ny traikefan’ireo tomponandraikitra mikarakara fanadinana manerana ny Cisco sy ny Dren rehetra mahakasika ny fanomanana sy fikirakirana, ny fanontana, ny fampidirana anaty valopy ireo laza adina.
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny biraon’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny solontenan’ny tetikasa Jica, izay miasa sy monina eto Madagasikara, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nandritra ny fihaonana, nanao veloma sy nankasitraka ny minisitra tamin’ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta izy ireo.




