Fikambanan’ny vehivavy ben’ny Tanàna : Hanokana sorabola hanentanana ny fanaovam-baksiny

« Nanambara ny fahavononana amin’ny ezaka hampitombo ny loharanom-bola hahatsara ny fahasalaman’ny mponina, indrindra ny fanaovam-baksiny, ny fikambanan’ny vehivavy ben’ny Tanàna », hoy ny filohan’ny fikambanana, Andriambololona Laurence.

Niakatra 28,6% mihoatra ny tamin’ny taon-dasa ny tetibolan’ny fahasalamana ary nitombo koa ny vola ho an’ny fandraisana an-tanana vaksiny eto amintsika, araka ny voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2025. Tsy mbola ampy hanatanterahana ny asa izany satria mahatratra 1 200 000 ny ankizy tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihitsy. « Resy lahatra ny CCOC, Vovonana Hina ary ny NosyW fa ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana eny ifotony no hanampy amin’ny fampitomboany ny isan’ny zaza vita vaksiny », hoy ny filohan’ ny filankevi-pitantanan’ ny Vovonana Hina, Faniry Hantarinivo, omaly, teny Antaninarenina. Nisy atrikasa fanamafisana ny haitarika ho an’ny vehivavy ben’ny Tanàna 35 avy amin’ny faritra 10, iasan’ny Vovonana Hina amin’ny tetikasa fanamafisana ny haitaky hampitomboana ny loharanom-bola natokana ho an’ny vaksiny eto Madagasi­kara. Nampahafantarina azy ireo ny lalàna mifehy ny fitantanana kaominina anatin’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampiasana ny dotation CSB. Kely ny loharanom-bola ho an’ny kaominina, indrindra ho an’ny fahasalamana, nefa misy ny asa azon’ny mpitantana eny ifotony atao tsy mitaky volabe, toy ny fampahafantarana ny tetiandron’ny vaksiny, karazana vaksiny, fanentanana isam-pokontany…
Nampitaina tamin’ireo vehivavy ben’ny Tanàna ny fomba ahafahana mitady vola hafa ankoatra ny fanampiana mivantana na hetra mahazatra hampitomboana ny isan’ny zaza vita vaksiny ao aminy.
Ho an’ny kaominina Am­pa­hitrosy, distrika Antana­narivo Atsimondrano, hanamafy ny fanentanana sy ha­na­mpy ny mpanentana ara-pa­ha­salamana (AC) amin’ny fitsirihana ny zaza tsy vita vaksiny ny mpitantana. Hanokana tetibola amin’ny fanentanana ho an’ny fanaovana vaksiny eny anivon’ny fokontany dimy ny kaominina, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna Rari­voma­nanony Lovasoa.

Vonjy

Partager sur: