Ihorombe – Fijery hafa: Fanalahidin’ny fampandrosoana

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny distrikan’Ihosy, ny fandaharana «Fijery hafa», notarihin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Tanjona ny hanolotra fiofanana isan-karazany ho an’ny tanora sy ny hampiharany izany avy hatrany amin’ny sehatry ny asa. Manampy amin’ny fampandrosoana ny toekarena ao amin’ny faritra rahateo izany. Miisa 5 845 ny mpandray anjara. Ny fandaharanasa dia manokatra ny varavarany ho an’ny fanofanana miisa 30. Maro ny mpiofana tamin’ny sehatra isan-tsokajiny. Tanora 28 tamin’ny herinaratra indostrialy, 58 ny fiompiana trondro, 165 ny fanaovana mofo, 439 ny fiompiana akoho aman-borona, kisoa ary ondry, 15 ny haitao trano, ary 28 ny informatika. 705 hatreto ireo tanora nahavita fiofanana ary mivoatra hatrany amin’ireo sehatra voalaza ireo. Zava-baovao ny fanamboarana saribao ekolojika, savony sy labozia, fakana sary sy taovolo. Eo koa ny fampivelarana ny maha olona, ny famoronana orinasa, ny fanatsarana ny ati-trano, ny fianarana ny asa birao. Miampy ny fahaizana mivarotra, fianarana mozika, fikojakojana fiarakodia, ny lafiny fanamboarana amin’ny lafiny elektronika, asa tanana, fanodinana fako plastika, fianarana mamily fiarakodia.

Ninah (mpianatra asa)

Partager sur: