Ho an’ny kaominina Ampahitrosy, efa namaritra sorabola ao anatin’ny tetibolany ny mpitantana ny kaominina ahafahana manatsara ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ho an’ny vaksiny. Manana mponina 11 000 ny kaominina, mitsinjara amin’ny fokontany dimy. 3 000 eo ho eo ny ankizy latsaky ny 15 taona. 97% amin’ny zaza teraka no mahazo vaksiny, hoy ny ben’ny Tanàna.
Nambara tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fivoriambe tany Genève izay natrehin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny fahafahan’i Madagasikara tanteraka amin’ny valanaretina lefakozatra. Nandritra ny herintaona mahery, tsy nisy intsony ny trangan’aretina lefakozatra teto amin’ny Nosy rehefa notohizana ny fanaovana vaksiny ny zaza malagasy rehetra. Asa mivaingana no nahatrarana izany vokatra izany ka zaza 19 tapitrisa no voaaro tamin’ny alalan’ny vaksiny.
Nosokafana tao amin’ny fonjaben’Antanimora ny fotoam-pikatrohana amin’ny fampiofanana arakasa ho an’ireo olona beazina ao anatin’ity toerana fanarenana ity, tamin’ity herinandro ity. Hisy ny fanolorana fanamarinana mari-pahaizana ho an’ireo izay mahavita izany. Miisa 48 ireo fikambanana manao asa soa sy ONG miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana izany izay nampahafantarina ampahibemaso. Tanjona ny hanomanana azy ireo hiverina eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fitsinjovana ny maha olona.
Hahazo vahana indray ny tsioka atsimo ka tombanana hitondra alondrano any amin’ny morontsiraka atsimo sy atsimo andrefana, afovoany andrefana ary atsimo atsinanan’ny Nosy. Hiitatra miandalana any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy izany, amin’ny faran’ny herinandro