Analakely : Mpitondra moto voasambotra

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpitondra moto iray niteraka fitohanana teo Analakely, boriborintany voalohany, omaly tolakandro. Voakasiky ny fiara iray io lehilahy nitondra moto io. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny voakasika sy ny mpamily ny fiara. Nentin-katezerana, novelesin’ilay mpitondra moto tamin’ny aroloha teny aminy ny fitaratry ny fiara. Vaky ilay fitaratra. Nikasa handositra avy hatrany izy rehefa avy nanao io fihetsika mahery io. Nitohana ny fifamoivoizana ka tsy afa-nitsoaka ity farany. Nanenjika azy rahateo ny mpamily ny fiara. Tsy tompon’ny fiara rahateo izy fa miasa aman’olona. Vokany, voasambotra ilay mpitondra moto. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny raharaha ny mpitandro filaminana miasa eo an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: