Nivory voalohany tao anatin’ny Conférence des présidents des universités mampivondrona azy ny filohan’ny Oniversite rehetra miankina amin’ny fanjakana sy ireo tale jeneralin’ny Institut supérieur de téchnologie (IST). Teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no nanaovana izany.
Rafitra ambony indrindra manapaka ny zavatra hoenti-mampandeha ny Onivesite tsirairay izany. Fivoriana voalohany taorian’ny fandraisan’ny filohan’ny oniversite voafidy ny asany no notanterahina tamin’ity herinandro ity.
Voalaza fa mamarana ny enim-bolana voalohany amin’ny taom-pianarana daholo ny oniversite rehetra amin’izao fotoana izao ka tombanana hifarana ny volana oktobra ho avy izao izany. Nitsiry ny hevitra fa aorian’ny famaranana ny taom-pianarana, hikarakara fifaninanana ara-panatanjahantena iraisan’ny oniversite rehetra ka eto Antananarivo no hanaovana ny dingana famaranana amin’ny taranja basket-ball.
Anisan’ny mampiaina ny oniversite ny fikarakarana hetsika siantifika sahanin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony miaraka amin’ny oniversite. Tapaka fa hasiana dinika iraisam-pirenena iray isaky ny oniversite rehetra ka ny Fonds commun de l’éducation no hamatsy ny fanantanterahana. Hisafidy volana iray hanatontosana io hetsika io ny minisitera. Ankoatra ireo, misy fanovana maromaro nentina ka hodinihina ny fomba ahafahan’ny oniversite tsirairay manana gazety boky ahitana ny fikarohana rehetra ao anatiny. Iarahana amin’ny Ivontoeram-pikarohana momba ny Torohay siantifika sy keknika (CIDST) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ihany.
Lohahevitra iray koa ny fanavaozana ny lalàna misy an’izao fotoana izao ka natomboka nandritra ny fivoriana ny fijerena izany, indrindra ny mahakasika ny mari-pahaizana “Doctorat” sy “HDR”. Mbola ny Fonds commun de l’éducation ihany no hamatsy ny asa fanavaozana ka homena ny tomponandraikitra hitondrana ny fanatsarana rehetra.
Vonjy