Mampivoatra ny fahaiza-manaon’ny mpiasa amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana. Mpiasa maro avy eo anivon’ny minisitera foibe sy ny rantsamangaika no nahazo fiofanana mahakasika ny fifehezana ny faharanitan-tsaina tsy voajanahary na Intelligence artificielle sy ny haitao ara-kajy mirindra tetsy amin’ny Ecole 42 Antananarivo, tamin’ity herinandro ity. Sekoly mifototra amin’ny fikirakirana ny teknolojia an’ny Vondrona Axian etsy Andraharo izy io.
Mifanentana ireo mpikambana ao amin’ny Mpanazava eto Madagasikara, eto Analamanga, mba hanome ra maimaimpoana, rahampitso, etsy Mahamasina ao amin’ny Petit Palais.
Voaentana manokana amin’izany ireo sampana mena sy mpiandraikitra. Mila olona salama, milanja mihoatra ny 50Kg, tsy misy aretin-koditra, tsy taizam-panafody, tsy mandray zava-mahadomelina…
Rahampitso, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fankalazana ny Herinandron’ny Mpanazava sy ny ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Voronkely sy ny tsiambaratelony. Hisy ny tranohevan-dalao sy fifaninanana isan-karazany ary ny tsenam-pitia ho an’i Neny