Niteraka resabe tany anaty tambajotra sosialy ny famonjena olona latsaka anaty rano ataon’ny sampana mpamonjy voina. Matetika, maka ny olona dobo rano no ataon’izy ireo fa tsy tsikaritry ny mpitazana ny vonjy aina sy famelomana na ala nenina atao amin’ilay niharam-boina.
Efa voaofana anefa ireny mpamonjy voina ireny ary mahafantatra ny asany. Manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny famonjena ny ain’ny niharam-boina koa izy ireo.
Nanampy traikefa ireo mpamonjy voina miisa 8 ao amin’ny vondrona vonjy voina eny Ivato mahakasika ny famonjena anaty rano. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiara- miombon’antoka frantsay no nahafahana nanao izany.
Natao ny fanadinana tamin’ny lomano 500 m amin’ny “nage libre” ao anatin’ny 12 mn, izay takina amin’ny fandraisana anjara. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fanavotana olona amin’ny tranga vonjy taitra anaty rano.
Tatiana A