Maloto ny tanàna 

 

Tsy laitra mihitsy isika eto Antananarivo ity. “Makôta” loatra, izay no azo hamehezana azy. Sady tsy tia madio ara-bakiteny, no voretra ara-tsaina ihany koa. Mahakivy ny mody alina, andaniny. Ataon’ny mponina fanariana tavimandry feno diky ny arabe. Tsy mampite hivoaka maraina, ankilany. Zary fanariam-pako sy fanaovan’ny olona maloto ny sisin-dalana.
Dia hisy hiteny sy hanesoeso indray izao hoe: aiza indray ry mpitondra sy ny mpiasam-panjakana” mpi-wera­wera” na ireo mpisolelaka amin’ny vahiny? Eo indrindra tompoko no hanipazana teny. Diso tafahoatra ilay fahantrana ara-tsaina. Fanentanana sy mifono hafatra lalina ireny. Ilay famohazana ny fitiavantsika sarambabem-bahoaka ho tia fahadiovana sy hanam-piniavana mba handray kifafa.
Ekena fa efa misy ny olona na mpiasa voatokana hanadio saingy rehefa tsy mandoto anie dia efa izy! Mainka moa mandray kifafa dia midina mamafa ny manandrify ny tsirairay. Zava-dehibe ny fahatsapan-tena fa tsy hoe efa tsy manao no mbola manatsatso ihany koa. Raha misy finiavana,  tsy ny hafa no hisitraka  izany fa isika mianakavy ihany.
Mahazo vahana izao ny karazana aretina noho ny hatsiaka. Hanampy trotraka ihany koa ny loto. Tsy lazaina intsony ny fikorontanan’ny saina ateraky ny tanàna mikorontana. Mila fandraisana andraikitra izany. Tsy avy amin’ny fanjakana samirery akory fa tena avy amin’ny mponin’Antananarivo tsivakivolo.

r.r

Partager sur: