Fanamby enina ho an’ny fanjarian-tsakafo: Namolavola drafitrasa iraisana ny solombavambahoaka sy ny Hina

Fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fanatsarana ny fandrindrana ny asa amin’ny fanodinana ny vokatra no anisan’ny fanamby noraisin’i Madagasikara tany Paris nandritra ny N4G. Manana andraikitra hanara-maso ny fanatanterahana izany ny firaisamonim-pirenena sy ny solombavambahoaka ka namaritra paikady iraisana.

Manoloana ny fanamby enina noraisin’i Mada­gasikara ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafo, taorian’ny fivoriana natao tany Paris farany teo, manana anjara andraikitra manara-maso ny fanatanterahana izany ny firaisamonim-pirenena sy ny solom­bavamba­hoaka anatin’ny Vaomieran’ny fahasalamana. Nisy ny atrikasa niarahan’ny solombavambahoaka sy ny Vovonana Hina ta­min’ity herinandro ity, teto Anta­nanarivo, hamoahana drafitrasa iarahan’ ny roa tonta. « Hijery ny lalàna mifanaraka amin’ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo ary mety hisy tolo-dalàna hatao na koa volavolan-dalàna avy amin’ny mpanatanteraka ny solombavambahoaka », hoy ny filohan’ny Vaomiera momba ny fahasalamana sy ny fandrindram-piterahana eny anivon’ny antenimierampirenena, ny Dr Rajaobelina Lova.
Enina ny fanamby noraisin’i Madagasikara ka hanao adisisika eny amin’ny rafitra rehetra tokony hetsehina ahafahana manatanteraka izany ny firaisamonim-pirenena sy ny solombavambahoaka.
Manana andraikitra koa ny mpisehatra tsirairay ho an’ny fanjarian-tsakafo efa miasa eny ifotony hanamafy ny asany na koa miditra amin’ny sehatra hafa hanatrarana ny fanamby. Ohatra ho an’ny mpanentana ara-pahasalamana (AC), inona ny andraikitra horaisina ho fanatrarana ny fanamby mifanandrify amin’ny asany?
« Ho an’ny tetibolam-panjakana 2026, fotoana hamolavolana soso-kevitra mitondra fanovana hampiakatra ny sora-bola ho an’ny fahasalamana sahady izao ho an’ny firaisamonim-pirenena », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Vovonana Hina, Faniry Hantarinivo.
Ankoatra ireo asa ireo, efa nihaona tamin’ny fikambanan’ny tanora ny Vovonana momba ny fahafantarany ny fanjarian-tsakafo sy ny anjara andraikiny.

Vonjy

Partager sur: