COUSP: Manamafy ny famaliana ny krizy ara-pahasalamana i Madagasikara

Nisy ny atrikasa natao tao Vakinankaratra, izay nifarana ny fiandohan’ny volana mey teo. Mamarana ny fihodinana nasionaly voalohany amin’ny fanatsarana ny COUSP isam-paritra na ny foibem-paritry ny vonjy taitra momba ny fahasalamam-bahoaka izany.

Manamafy ny sehatra ara-pahasalamana i Madagasikara ka na­nohy ny fananganana ivontoeram-piasana vonjy taitra mom­ba ny fahasalamam-bahoaka. Hetsika stratejika tarihin’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka izay tafiditra ao anatin’ny tambajotran’ny Sega-One Health an’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (IOC), vatsian’ny AFD vola.
Taorian’ny fampandehanana ny COUSP nasionaly tamin’ny taona 2016, izay naneho ny fahombiazany amin’ny fiatrehana ny pesta aretin-tratra, ny kitrotro ary ny Covid-19, dia nanomboka ny fanapariahana tsikelikely ny rafitra.
Manome lalana ho an’ny fitantanana ara-pahasalamana mavitrika sy mirindra kokoa miorina amin’ny zava-misy eo an-toerana izany. Nanomboka ny taona 2024, efa nisy ny fiofanana isam-paritra natao tany Boeny izay toerana misy risika avo lenta amin’ny areti-mifindra. Tany Atsinanana, toerana ivezivezen’ny entana ka mora mitondra aretina. To­raka izany ny tany Diana faritra be fifamoivoizana amin’ny seranam-piaramanidina. Ny ao Antsirabe koa dia anisan’ny faritra ahitana taha ambony amin’ny pesta aretin-tratra.
Nanofana matihanina ma­herin’ny 130 momba ny fitantanana vonjy taitra ara-pahasalamana ireo atrikasa ireo, ny asa tena ilaina amin’ny COUSP ary ny fampidirana ny rafitra fitantanana tranga (IMS).
Ny tambajotra Sega – One Health an’ny COI dia sampandraharaham-paritra ho an’ny fahasalaman’ny olombelona, ​​​​ny biby ary ny tontolo iainana. Nanohana ny fametrahana ny rafitra nandritra ny 10 taona mahery.

Tatiana A

Partager sur: