Fahombiazana lehibe ny setriny ho an’ny andiany faha-19 amin’ny Foire internationale de Madagascar (Fim), notanterahina teny amin’ny Centre de Conférences International Ivato, ny 22 hatramin’ny 25 mey lasa teo.
Ho an’ny MadaVision, mpikarakara ny hetsika, nametraka aina vao ny « Fim 2025 ». Mihoatra ny 250 ireo mpandray anjara tamin’ity andiany ity, izay nameno tranoheva manodidina ny 420 nitsinjara tamina toerana mivelatra 22 000 m². Maro ireo mpitsidika tonga teny an-toerana, tao ireo mpiantsena, mpankafy asa-tanana, sy ireo liana amin’ny atrikasa natao izay nahitana teknisiana 54. “Nisokatra tamin’ny mpitsidika isan-karazany izahay. Tsy hoe ireo liana amin’ny Fim fotsiny ihany, fa indrindra ireo voasariky ny lohahevitra sy ny fifanakalozana”, hoy ny talen’ny mpiara-mitantana ny MadaVision, Ranaivo Oranne. Nohatsaraina ny fandaminana ny toerana, tamin’ny alalan’ny fametrahana faritra manokana ho an’ny fikambanana, startups ary indostria. Nahafahana nampivelatra ny hetsika ny toerana malalaka kokoa, ka nanome vahana ny mpitsidika sy ny mpandray anjara, hoy hatrany ny fanazavana. Ankoatra izay, niavaka ireo mpanohana, izay nahavita fanentanana tamin’ny lalao samihafa sy nampiaina kokoa ny fitsidihana.
Ivon’ny fifanakalozana
Tratra ny tanjona napetraka raha ny isan’ny mpitsidika, araka ny tombana nataon’ireo mpikarakara. “Fahombiazana izao, ary fanombohana ihany koa”, hoy hatrany Ranaivo Oranne. Nandray lohahevitra lehibe ny Fim tamin’ity taona ity dia ny hoe “Tetezana mankany Afrika”. Tazana tamin’izany ny fisian’ireo mpandray anjara avy any Maorisy sy La Réunion, ary nisy adihevitra manokana momba ny lanjan’ny varotra eo amin’i Madagasikara sy ireo firenena afrikana manodidina. Nankalazaina manokana koa ireo vehivavy afrikana sy ny asa tanana malagasy ho toy ny rohy mankany Afrika. Tanjona manaraka ny hanomezana lanja hatrany ny Fim amin’ny taona ho avy, ka hampanjary an’i Madagasikara ho ivon’ny fifanakalozana ara-barotra sy ara-toekarena aty Afrika.
Henintsoa