DG Zafivanona Lainkana : Fitaovana mahomby ny « Intelligence Artificielle »

Natao ny 12 sy ny 13 mey teo ny fihaonambe iraisam-pirenena, «Forum Innovate the Future 2025». Notonto­saina tany Dubai, Emirats Arabe Unis (EAU) nokarakarain’ny orinasa Webb Fontai­ne, miompana tamin’ny fikarohana mahakasika ny varotra iraisam-pirenena. Fotoana nihaonan’ny mpanapa-kevitra amin’ny ladoany sy ny seranan-tsambo aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodinihina ny lanjan’ny teknolojia niomerika entina hanamorana ny fifanakalozam-barotra.
Nisolo tena ny Ladoany ma­­lagasy, ny tale jeneraly (DGD), ny Dr. Zafivanona E. Lainkana. Nohazavainy ny trai­kefa tamin’ny fanarenana ny rafitra sy ny fitantanana ny haban-tseranana malagasy, tao anatin’ny drafitrasa stratejika 2020-2024. Notsipihiny, fa «mivoatra misonga ny teknolojia, noho ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Lasa fitaovana matanjaka sy mahomby ho an’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny tsy miankina. Sain­gy, tsy terena ampiasaina fotsiny ny teknolojia, fa mila ampifandraisina amin’ny zava-misy, ny olombelona izay ampifanarahana amin’ny fanovana».

Voalohany mampiasa ny IA

Nankasitraka ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Dr. Zafivanona Lainkana ny mpanatrika ny fivoriana. Hita taratra ny fahavitrihany nitondra ny fanovana tao amin’ny fitantanana ny haban-tseranana malagasy. Marihina fa ny ladoany malagasy no mampiasa voalohany ny IA amin’ny fitantanan-draharaha, ny fitantanana ny antontam-baovao, ny fanaraha-maso, ny dingana arahin’ny manan-draharaha, sy ny hafa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: