IECD: Natsangana ny vovonana Tambatra

Nampahafantarina ny 23 mey teo ny vovonana Tam­ba­tra, ao amin’ny Ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana (IECD) eny Ambatoroka. Fia­raha-miasa amin’ny fikambanana Promes, manohana ny mpianatra manana bakalorea, sahirana amin’ny fianarana ambony ataony sy ny fianarana arakasa. Tafahaona nandritra io fotoana io, ny solontenan’ny orinasa eto Analamanga sy ny sekoly mampiofana, tohanan’ ny IECD. Anisan’ny nampahafantarina ny fitaovana niome­rika hiofanan’ny tanora. Fifan­draisana ampitain-davitra ny vovonana Tambatra, mana­mora ny fifandraisana mivantan’ny tanora misitraka ny tetikasan’ny IECD sy ny orinasa mitady olona manana talenta, mavitrika sady mazoto. Aha­fahana mianatra asa, fiofa­nana ara-kasa, sns.
Napetraka ity vovonana Tambatra ity satria manokatra ny varavaran’ny tolotrasa misy eto Madagasikara ho an’ny tanora vao hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Hanamora azy ireo, izay vao avy nahavita fianarana sy fiofanana, amin’ny fikarohana asa, mifanandrify sy sahaza ny fianarana sy fiofanana norantoviny. Etsy an­daniny, azon’ny orinasa atao ny mamoaka ao anatin’ity vovonana ity ny tolotrasa tsara, manome tontolo sy karama sahaza. Etsy ankilany, ho hitan’ny mpandray mpiasa amin’ny antsipiriany ny mombamomba ny tanora vao naha­vita fianarana, raha hitady fianaran-kasa na koa hitady asa. Niorina ny taona 1988 ny IECD ary eto Madagasikara nanomboka ny taona 1989.

Njaka A.

Partager sur: